<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Kristy miantso antsika hiady,
 Izy nandresy ilay ratsy sahady,
 Ka mba Henoy, ry sakaiza
 izao :
 Kristy miandry indrindra anao !
 Mila antsika
 Kristy Mpanjaka.

[V2]
 Kristy Mpitarika amin'ny ady,
 Ka mampandresy izay
 te-hifady
 Ny fahotana, izay maimbo
 sy lo ;
 Izy no manda mafin'ny fo.
 Miaro antsika
 Kristy Mpanjaka.

[V3]
 Kristy mampiananatra antsika
 hahery,
 Izy miaro antsika sao very,
 Ka mba avia hifahatra ao,
 Indro ny ady mandroso izao
 Miantso antsika
 Kristy Mpanjaka.

[V4]
 Kristy mamnjy antsika
 izay voa,
 Ary tsaboiny ho entiny koa
 Ho ao an-dapany mandrakizay
 Honina ao an-tranon'ny Ray.
 Haka antsika
 Kristy Mpamonjy.

[V5]
 O, ry Jesosy Mpanjaka,
 Mpamonjy !
 Tompon'ny dera aman-daza
 sy vonjy,
 Ireo rafinao mba reseo izao,
 Ka tanteraho izay sitrakao.
 O, mba avia,
 Kristy Mpanjaka.</lyrics>
<title>Kristy miantso antsika hiady FFPM655</title>
<hymn_number>655</hymn_number>
</song>